Galatians 4:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Voasoratra mantsy hoe: «Mifalia, Ramomba, izay tsy mba miteraka; miantsoantsoa sy manaova hiakam-pifaliana ianao izay tsy mbola nihetsi-jaza; fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an’ny manambady» (Isa 54.1).
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa voasoratra hoe: Mifalia, ry momba, dia ianao izay tsy niteraka! Miantsoa mafy amin-kafaliana sy firavoravoana, ianao izay tsy mbola nihetsi-jaza! Fa ny zanaky ny mananotena no maro noho ny an’izay manam-bady!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Mifalia, ry vehivavy momba, izay tsy niteraka! Manaova antso firavoravoana, ianao tsy nihetsi-jaza! Fa ny zanaky ny vehivavy mpitondratena dia maro noho ny an’ny manambady!»
Malagasy Bible 1865
Fa voasoratra hoe: Mifalia, ramomba, izay tsy miteraka; Miantsoa sy minanananà, ianao izay tsy mbola mihetsi-jaza; Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an'ny manana-bady (Isa. 54. 1).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Fa voasoratra hoe: Mifalia, ramomba, izay tsy miteraka; Miantsoa sy minanananà, ianao izay tsy mbola mihetsi-jaza; Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an'ny manana-bady (Isa. 54. 1).