Galatians 4:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa ahoana no lazain’ny Soratra Masina? «Roahy io andevovavy io sy ny zanany lahy; fa ny zanaky ny andevo dia tsy hiray lova amin’ny zanaky ny vehivavy afaka» (Gen 21.10).
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Saingy ahoana, hoy ny Soratra Masina? Roahy io andevovavy io sy ny zanany, fa tsy hiray lova amin’izay zanak’andevo ny zanak’olona afaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Saingy inona no lazain’ny Soratra Masina? Izao: «Roahy io vehivavy mpanompo io sy ny zanany, fa ny zanaky ny vehivavy mpanompo dia tsy hiray lova amin’ny zanaky ny vehivavy tsy mpanompo.»
Malagasy Bible 1865
Nefa ahoana no lazain'ny Soratra Masina? Roahy io andevo-vavy io sy ny zananilahy; fa ny zanaky ny andevo tsy hiray lova amin'ny zanaky ny tsy andevo (Gen. 21. 10).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa ahoana no lazain’ny Soratra Masina? «Roahy io andevovavy io sy ny zanany lahy; fa ny zanaky ny andevo dia tsy hiray lova amin’ny zanaky ny vehivavy afaka» (Gen 21.10).
malagasy
Nefa ahoana no lazain'ny Soratra Masina? Roahy io andevo-vavy io sy ny zananilahy; fa ny zanaky ny andevo tsy hiray lova amin'ny zanaky ny tsy andevo (Gen. 21. 10).Ary amin'izany, ry rahalahy, tsy zanak'andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo.