Galatians 4:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ankehitriny kosa, mahalala an’Andriamanitra ianareo, kanefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo. Koa nahoana ianareo no miverina indray amin’ny fanompoana ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy dikany?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ankehitriny kosa efa nahalala an’Andriamanitra ianareo (na hoe: Andriamanitra no nahalala anareo), ka ahoana no dia ireny fampianarana malemy sy tsy misy na inona na inona ireny indray no iverenanareo sy tianareo hotompoina?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ankehitriny kosa, efa nahalala an’Andriamanitra ianareo. Mihoatra noho izany aza: efa nahalala anareo Andriamanitra, ka ahoana ianareo no miverina indray amin’ny herin-javatra tsy manam-pahefana azy ary tsy misy fotony, dia herin-javatra izay tianareo hotompoina hatrany am-boalohany indray?
Malagasy Bible 1865
fa ankehitriny, rehefa mahalala an'Andriamanitra ianareo - nefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo - nahoana ianareo no dia miverina indray ho amin'ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona, nefa tianareo hotompoina indray?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ankehitriny kosa, mahalala an’Andriamanitra ianareo, kanefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo. Koa nahoana ianareo no miverina indray amin’ny fanompoana ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy dikany?
malagasy