Galatians 5:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Matoky anareo ao amin’ny Tompo aho, fa tsy hisaina zavatra hafa noho izay sainiko ianareo. Ilay mampikorontana anareo no hiharan’ny fanamelohana, na iza izy na iza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Matoky anareo ao amin’ny Tompo aho fa tsy hanan-kevitra hafa ianareo; fa ilay mampitabataba anareo no hianjeran’ny nataony, na iza na iza izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa izaho dia omen’ny Tompo toky momba anareo fa tsy hanan-kevitra hafa noho ny ahy ianareo; saingy ilay mpanakorontana anareo, na zovy na zovy izy, dia hiharan’ny fanamelohan’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Izaho matoky anareo ao amin'ny Tompo fa tsy hisaina zavatra hafa akory ianareo; fa ilay mampitabataba anareo no hiharan'ny fanamelohana, na zovy na zovy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Matoky anareo ao amin’ny Tompo aho, fa tsy hisaina zavatra hafa noho izay sainiko ianareo. Ilay mampikorontana anareo no hiharan’ny fanamelohana, na iza izy na iza.
malagasy
Izaho matoky anareo ao amin'ny Tompo fa tsy hisaina zavatra hafa akory ianareo; fa ilay mampitabataba anareo no hiharan'ny fanamelohana, na zovy na zovy izy.