Galatians 5:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa nantsoina ho amin’ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy hoentina hanaraka ny nofo izany fahafahana izany. Mifanompoa amin’ny fitiavana
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa voaantso ho amin’ny fahafahana ianareo, ry kristianina havana; kanefa aoka tsy hoentinareo manaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa samia milatsa-tenany amim-pitiavana ho mpanompon’ny namany avy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ianareo, ry havana, dia efa nantsoina ho amin’ny fahafahana; saingy tsy hoe ilay fahafahana hahazoana manao izay sitraky ny maha olona mpanota, fa aoka hifanompo ianareo amin’ny alalan’ny fitiavana.
Malagasy Bible 1865
Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin'ny fitiavana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa nantsoina ho amin’ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy hoentina hanaraka ny nofo izany fahafahana izany. Mifanompoa amin’ny fitiavana
malagasy
Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin'ny fitiavana.