Galatians 6:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny amiko dia sanatria raha misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazofijalian’i Jesosy Kristy Tompontsika. Tamin’ny alalany no naha voahombo an’izao tontolo izao raha ny amiko, ary naha voahombo ahy raha ny amin’izao tontolo izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha ny amiko, dia sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa taminy no voafantsika tamin’ny Hazofijaliana izao tontolo izao ho ahy, ary izaho ho an’izao tontolo izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha ny amiko, dia sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazofijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika: fa tamin’ny alalan’ny hazofijaliany no efa maty izao tontolo izao raha ny amiko, ary izaho kosa efa maty raha ny amin’izao tontolo izao.
Malagasy Bible 1865
Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahavoahombo izao tontolo izao tamin'ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin'izao tontolo izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny amiko dia sanatria raha misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazofijalian’i Jesosy Kristy Tompontsika. Tamin’ny alalany no naha voahombo an’izao tontolo izao raha ny amiko, ary naha voahombo ahy raha ny amin’izao tontolo izao.
malagasy
Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahavoahombo izao tontolo izao tamin'ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin'izao tontolo izao. [ Na: izay]