Galatians 6:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony amin’izao sisa izao; fa izaho dia mitondra ny marik’i Jesosy eo amin’ny tenako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izao sisa izao, aza misy manahirana ahy intsony, fa mitondra ny marik’i Jesoa amin’ny vatako aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’ny ho avy, aoka tsy hisy olona hanahirana ahy intsony; fa izaho dia mitondra ny diam-pery eo amin’ny tenako noho ny maha mpanompon’i Jesoa ahy.
Malagasy Bible 1865
Amin'izao sisa izao aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony; fa izaho mitondra ny marik'i Jesosy voatomboka eo amin'ny tenako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony amin’izao sisa izao; fa izaho dia mitondra ny marik’i Jesosy eo amin’ny tenako.
malagasy
Amin'izao sisa izao aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony; fa izaho mitondra ny marik'i Jesosy voatomboka eo amin'ny tenako.Ho amin'ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.