Genesis 1:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka ny tany haniry ahitra sy anana mamoa ary hazo fihinam-boa eny ambonin’ny tany, izay mamoa, samy araka ny karazany avy, ka ao anatiny ny voany! Dia nisy izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy Andriamanitra: «Aoka ny tany haniry ahitra maitso sy anana mamoa ary hazo mamoa, araka ny karazany avy, eny ambonin’ny tany.» Dia tanteraka izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka ny tany ho rakotra zava-maitso: zava-maniry misy voa famafy, hazo fihinam-boa isan-karazany eny ambonin’ny tany izay samy manana ny voany avy!» Dia tanteraka izany.
Malagasy Bible 1865
Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany haniry ahitra sy anana mamoa ary hazo fihinam-boa izay mamoa, samy araka ny karazany avy, ka manam-boa ao aminy, eny ambonin'ny tany; dia nisy izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka ny tany haniry ahitra sy anana mamoa ary hazo fihinam-boa eny ambonin’ny tany, izay mamoa, samy araka ny karazany avy, ka ao anatiny ny voany! Dia nisy izany.
malagasy
Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany haniry ahitra sy anana mamoa ary hazo fihinam-boa izay mamoa, samy araka ny karazany avy, ka manam-boa ao aminy, eny ambonin'ny tany; dia nisy izany.