Genesis 1:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary Andriamanitra nahary ireo biby vaventy any anaty rano sy ireo zavamananaina mihetsiketsika rehetra, dia ireo izay betsaka ao amin’ny rano, samy araka ny karazany avy, ary ny voromanidina rehetra, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia noarîn’Andriamanitra ny biby vaventy anaty rano, sy ny zava-manana aina mihetsiketsika rehetra, mihelotrelotra anatin’ny rano, samy araka ny karazany avy, mbamin’ny voromanidina manana elatra rehetra araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia noarin’Andriamanitra ireo fanano anaty ranomasina sy ireo zava-miaina rehetra isan-karazany mihetsiketsika sady miriaria ao anaty rano, ary koa ireo voro-manidina isan-karazany. Ka hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Malagasy Bible 1865
Ary Andriamanitra nahary ny biby vaventy anaty rano sy ny zava-manan'aina mihetsiketsika rehetra, izay efa betsaka ao amin'ny rano, samy araka ny karazany avy, ary ny voro-manidina rehetra, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary Andriamanitra nahary ireo biby vaventy any anaty rano sy ireo zavamananaina mihetsiketsika rehetra, dia ireo izay betsaka ao amin’ny rano, samy araka ny karazany avy, ary ny voromanidina rehetra, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
malagasy