Genesis 1:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka ny tany hamoaka zavamananaina, samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady na mikisaka ary bibidia, samy araka ny karazany avy! Dia nisy izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy Andriamanitra: «Aoka ny tany hamoaka zava-manana aina, araka ny karazany avy, dia ny biby fiompy, ny biby mikisaka sy ny bibin’ny tany, araka ny karazany avy.» Dia tanteraka izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka ny tany hamoaka zava-miaina isan-karazany: biby fiompy, biby madinika mandady ary bibidia, samy araka ny karazany avy.» Dia tanteraka izany.
Malagasy Bible 1865
Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany hamoaka zava-manan'aina samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady sy mikisaka ary bibi-dia, samy araka ny karazany avy; dia nisy izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka ny tany hamoaka zavamananaina, samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady na mikisaka ary bibidia, samy araka ny karazany avy! Dia nisy izany.
malagasy
Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany hamoaka zava-manan'aina samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady sy mikisaka ary bibi-dia, samy araka ny karazany avy; dia nisy izany.