Genesis 1:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary Andriamanitra niteny hoe: Indro, omeko anareo ny zava-maitso misy voany rehetra izay ambonin’ny tany manontolo sy ny voan’ny hazo fihinam-boa rehetra; ho fihinanareo ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy Andriamanitra: «Indro omeko anareo ny anana mamoa rehetra eo ambonin’ny tany, mbamin’ny hazo rehetra misy voankazo manana ny voany ao aminy; izany no atao fihinanareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy koa Izy hoe: «Indro omeko ho anareo eran’ny tany tontolo ny zava-maniry rehetra mamokatra voa, ary ny hazo rehetra mamokatra voankazo: ireny voanjavatra sy voankazo fihinana ireny no ho sakafonareo.
Malagasy Bible 1865
Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin'ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary Andriamanitra niteny hoe: Indro, omeko anareo ny zava-maitso misy voany rehetra izay ambonin’ny tany manontolo sy ny voan’ny hazo fihinam-boa rehetra; ho fihinanareo ireny.
malagasy
Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin'ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny.