Genesis 1:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ho an’ny bibidia rehetra sy ny voromanidina rehetra ary ny zavamananaina rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany dia omeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany. Dia nisy izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ho an’ny bibin’ny tany mbamin’ny voromanidina sy izay rehetra mihetsiketsika eto ambonin’ny tany, ka manam-pofon’aina ao aminy, dia ny zava-maitso rehetra no omeko ho fihinany.» Dia tanteraka izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny omeko ny ahi-maitso rehetra ho sakafony kosa dia ny biby rehetra eto an-tany sy ny voro-manidina rehetra eny an-danitra ary ny biby madinika rehetra mandady amin’ny tany, izany hoe ny manam-pofonaina rehetra.» Dia tanteraka izany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny amin'ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny zava-manan'aina rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia efa nomeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany; dia nisy izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ho an’ny bibidia rehetra sy ny voromanidina rehetra ary ny zavamananaina rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany dia omeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany. Dia nisy izany.
malagasy
Ary ny amin'ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny zava-manan'aina rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia efa nomeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany; dia nisy izany.Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany.