Genesis 10:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireto no taranaky ny zanakalahin’i Noa, dia i Sema sy i Hama ary i Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy ireo taorianan’ny safodrano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no taranak’i Sema sy i Kama ary i Jafeta, zanak’i Nôe. Nitera-dahy izy ireo taorian’ny safodrano.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’ny safo-drano dia niteraka zanakalahy maro i Sema sy i Hama ary i Jafeta zanak’i Noà. Ireto no lisitry ny taranany:
Malagasy Bible 1865
Ary izao no taranaky ny zanakalahin'i Noa, dia Sema sy Hama ary Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy taorian'ny safo-drano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireto no taranaky ny zanakalahin’i Noa, dia i Sema sy i Hama ary i Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy ireo taorianan’ny safodrano.
malagasy
[Ny taranak'izy telo lahy zanak'i Noa, sy ny nielezany] Ary izao no taranaky ny zanakalahin'i Noa, dia Sema sy Hama ary Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy taorian'ny safo-drano.