Genesis 10:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny sisintanin’ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin’i Gerara ka hatrany Lesa ao akaikin’i Sodoma sy Gomora ary Adma sy Zeboima.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka ny faritanin’ny Kananeanina tafapaka hatrany Sidona amin’ny tandrifin’ny Jerara ka hatrany Gazà, ary hatramin’ny tandrifin’i Sôdôma, i Gômôra, i Adama ary i Sebôima, dia hatrany Lesà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka ny faritaniny dia nanomboka hatreo Tsidôna mihazo an’i Gerara ka hatrany Gazà, ary mankany Sôdôma sy Gômôra ary Admà sy Tsebôima ka hatrany Lesà.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fari-tanin'ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin'i Gerara, ka hatrany Lesa ao akaikin'i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny sisintanin’ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin’i Gerara ka hatrany Lesa ao akaikin’i Sodoma sy Gomora ary Adma sy Zeboima.
malagasy
Ary ny fari-tanin'ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin'i Gerara, ka hatrany Lesa ao akaikin'i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima.