Genesis 11:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Tera dia nitondra an’i Abrama zanany sy i Lota zafiny, zanak’i Harana, ary i Saray vinantovaviny, vadin’i Abrama zanany. Niara-niala taminy tao Oran’ny Kaldeana hankany amin’ny tany Kanana ireo. Tonga tao Harana izy ireo ka nonina tao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nentin’i Tare i Abrama zanany mbamin’i Lôta zafiny, zanak’i Aràna, ary i Saray, vinantovaviny, vadin’i Abrama zanany; ary niara-nandeha izy ireo niala tany Ora any amin’ny Kaldeanina, mba ho any amin’ny tany Kanaana. Nony tonga tao Haràna anefa izy ireo dia nonina tao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nentin’i Tera i Abrama zanany lahy sy i Lôta zafikeliny sady zanakalahin’i Haràna. Nentiny koa i Saray vinantovaviny, vadin’i Abrama. Dia niala tao Ora any Babilônia ireo ka nankany amin’ny tany Kanahàna. Tonga hatrany Haràna izy ary nonina tao.
Malagasy Bible 1865
Ary Tera nitondra an'i Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak'i Harana, ary Saray vinantoni-vavy, vadin'i Abrama zanany; dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran'ny Kaldeana hankany amin'ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka nonina tao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Tera dia nitondra an’i Abrama zanany sy i Lota zafiny, zanak’i Harana, ary i Saray vinantovaviny, vadin’i Abrama zanany. Niara-niala taminy tao Oran’ny Kaldeana hankany amin’ny tany Kanana ireo. Tonga tao Harana izy ireo ka nonina tao.
malagasy
Ary Tera nitondra an'i Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak'i Harana, ary Saray vinantoni-vavy, vadin'i Abrama zanany; dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran'ny Kaldeana hankany amin'ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka nonina tao.Ary dimy amby roan-jato taona ny andro niainan'i Tera; dia maty tao Harana izy.