Genesis 11:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Sady hoy izy: Andeha isika hanorina tanàna sy tilikambo ka hahatakatra ny lanitra ny tampony, dia hanao izay hahazoantsika laza mba tsy hielezantsika eny ambonin’ny tany rehetra!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy koa izy: «Andeha isika hanorina tanàna anankiray, ary tilikambo anankiray mahatakatra ny lanitra ny tampony, dia hanangana tsangam-bato ho antsika, fandrao tafaely any ambonin’ny tany rehetra isika.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy teo dia hoy koa ireo hoe: «Andeha isika hanorina tanàna misy tilikambo mahatakatra ny lanitra ny tendrony! Amin’izay dia halaza isika ka tsy hiparitaka amin’ny velaran’ny tany.»
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy: Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin'ny tany rehetra isika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Sady hoy izy: Andeha isika hanorina tanàna sy tilikambo ka hahatakatra ny lanitra ny tampony, dia hanao izay hahazoantsika laza mba tsy hielezantsika eny ambonin’ny tany rehetra!
malagasy
Ary hoy izy: Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin'ny tany rehetra isika.