Genesis 11:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy NY TOMPO: Indro, firenena tokana ny olona, sady iray fiteny izy rehetra, ary ity vao fiandohan’ny hataony. Koa ankehitriny dia tsy misy azo sakanana izay kasainy hatao na inona na inona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Iaveh: «Indro firenena iray izy ireo ary fiteny iray no iraisan’izy rehetra, ary ity asa ity no iandohan’izay tiany hatao; amin’izao dia tsy hisy na inona na inona hisakana azy tsy hanatanteraka izay kasainy hatao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy IZY hoe: «Indro ankehitriny fa firenena iray ihany izy rehetra ary fiteny tokana ihany no ampiasainy. Raha izany no fiandohan-javatra hataony, dia tsy hisy hahasakana azy tsy hahatanteraka izay kasainy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah: Indro, iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary ity vao fiandohan'ny hataony; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy NY TOMPO: Indro, firenena tokana ny olona, sady iray fiteny izy rehetra, ary ity vao fiandohan’ny hataony. Koa ankehitriny dia tsy misy azo sakanana izay kasainy hatao na inona na inona.
malagasy
Ary hoy Jehovah: Indro, iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary ity vao fiandohan'ny hataony; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao.