Genesis 12:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandeha i Abrama, araka izay nolazain’NY TOMPO taminy, ary mba niaraka taminy koa i Lota. Efa dimy amby fitopolo taona i Abrama raha niala tao Harana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niainga i Abrama araka ny tenin’i Iaveh taminy, ary niara-nandeha taminy koa i Lôta. Efa dimy amby fitopolo taona i Abrama fony izy niala tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandeha araka izay nolazain’ny TOMPO taminy i Abrama, ary niaraka taminy koa i Lôta. Tokony ho 75 taona i Abrama fony izy niala tany Haràna.
Malagasy Bible 1865
Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain'i Jehovah taminy, ary Lota koa mba niaraka taminy. Ary efa dimy amby fito-polo taona Abrama, raha niala tao Harana izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandeha i Abrama, araka izay nolazain’NY TOMPO taminy, ary mba niaraka taminy koa i Lota. Efa dimy amby fitopolo taona i Abrama raha niala tao Harana.
malagasy
Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain'i Jehovah taminy, ary Lota koa mba niaraka taminy. Ary efa dimy amby fito-polo taona Abrama, raha niala tao Harana izy.