Genesis 12:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Abrama dia nitondra an’i Saray vadiny sy i Lota zana-drahalahiny mbamin’ny fananan’izy rehetra izay noharìny sy ny olona izay azony tao Harana. Niainga izy ireo hankany amin’ny tany Kanana, dia tonga tany amin’ny tany Kanana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nentiny i Saray vadiny, sy i Lôta zana-drahalahiny ary ny harena rehetra nananany, mbamin’ny mpanompo azony tany Haràna, dia niainga ho any amin’ny tany Kanaana izy ireo, ka tonga tany amin’ny tany Kanaana izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nalain’i Abrama i Saray vadiny sy i Lôta zana-drahalahiny, ary nentiny ny harena rehetra voaangony mbamin’ireo mpanompo rehetra novidîny tao Haràna. Dia niainga izy ka nankany amin’ny tany Kanahàna. Dia tonga tany Kanahàna ry i Abrama mianakavy.
Malagasy Bible 1865
Ary Abrama nitondra an'i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin'ny fananan'izy rehetra izay efa nohariny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo hankany amin'ny tany Kanana, ka tonga tany amin'ny tany Kanana izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Abrama dia nitondra an’i Saray vadiny sy i Lota zana-drahalahiny mbamin’ny fananan’izy rehetra izay noharìny sy ny olona izay azony tao Harana. Niainga izy ireo hankany amin’ny tany Kanana, dia tonga tany amin’ny tany Kanana.
malagasy