Genesis 12:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nifindra niala teo hankany amin’ny tendrombohitra atsinanan’i Betela izy ka nanorina ny tranolainy teo anelanelan’i Betela teo andrefany ary i Ay teo atsinanany. Nanorina alitara ho an’NY TOMPO teo koa izy ka niantso ny anaran’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nifindra avy eo izy ho any amin’ny tendrombohitra ao atsinanan’i Betela, dia niorin-day izy, ka i Betela teo andrefany ary i Hay teo atsinanany. Ary nanorina ôtely ho an’i Iaveh izy teo, ka niantso ny anaran’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo izy dia niainga ho any amin’ny faritra be havoana any atsinanan’i Betela, ary nanorina ny lainy teo anelanelan’i Betela tao andrefana sy i Hay tao atsinanana. Nanorina alitara iray ho an’ny TOMPO teo koa izy ka nivavaka sady niantso an’Andriamanitra hoe TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary nifindra niala teo izy hankany amin'ny tendrombohitra atsinanan'i Betela ka nanorina ny lainy teo anelanelan'i Betela tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina alitara teo koa ho an'i Jehovah izy ka niantso ny anaran'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nifindra niala teo hankany amin’ny tendrombohitra atsinanan’i Betela izy ka nanorina ny tranolainy teo anelanelan’i Betela teo andrefany ary i Ay teo atsinanany. Nanorina alitara ho an’NY TOMPO teo koa izy ka niantso ny anaran’NY TOMPO.
malagasy