Genesis 13:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niakatra niala tany Ejipta ho any Negeva i Abrama, dia izy sy ny vadiny mbamin’ny fananany rehetra. Ary niaraka taminy koa i Lota.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary niakatra avy any Ejipta nihazo tany atsimo i Abrama, dia izy sy ny vadiny, mbamin’ny fananany rehetra, ary i Lôta koa niaraka taminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy any Ejipta i Abrama dia niverina nankany Negeva niaraka tamin’ny vadiny mbamin’ny fananany rehetra. Niaraka taminy koa i Lôta.
Malagasy Bible 1865
Ary Abrama dia niakatra niala tany Egypta, dia izy sy ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy, ho any amin'ny tany atsimo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niakatra niala tany Ejipta ho any Negeva i Abrama, dia izy sy ny vadiny mbamin’ny fananany rehetra. Ary niaraka taminy koa i Lota.
malagasy
[Ny nisarahan'i Abrama sy Lota, ary ny teny fikasana nataon'Andriamanitra tamin'i Abrama] Ary Abrama dia niakatra niala tany Egypta, dia izy sy ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy, ho any amin'ny tany atsimo.