Genesis 13:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanopy ny masony i Lota ka nitazana ny tany rehetra teny amoron’i Jordana hatrany akaikin’i Zoara fa azon-drano avokoa izy ireo, tahaka ny sahan’NY TOMPO sy tahaka ny tany Ejipta. Talohan’ny nandravan’NY TOMPO an’i Sodoma sy i Gomora izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanopy ny masony i Lôta ka nahita ny tany lemak’i Jordany rehetra, izay azon-drano hatrany hatrany; io tany io, talohan’ny nandravan’i Iaveh an’i Sôdôma sy i Gômôra, dia tahaka ny sahan’i Iaveh, tahaka ny tany Ejipta akaikin’i Tsôara.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nitazana i Lôta ka nahatsinjo ny faritanin’i Jôrdàna manontolo. Talohan’ny nandravan’ny TOMPO an’i Sôdôma sy i Gômôra, izany faritany izany mandra-pahatonga any Tsôhara dia tahaka ny zaridainan’ny TOMPO, tahaka ny lohasahan’i Neily.
Malagasy Bible 1865
Ary Lota nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron'i Jordana hatrany akaikin'i Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra (talohan'ny nandravan'i Jehovah an'i Sodoma sy Gomora izany), tahaka ny sahan'i Jehovah sy tahaka ny tany Egypta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanopy ny masony i Lota ka nitazana ny tany rehetra teny amoron’i Jordana hatrany akaikin’i Zoara fa azon-drano avokoa izy ireo, tahaka ny sahan’NY TOMPO sy tahaka ny tany Ejipta. Talohan’ny nandravan’NY TOMPO an’i Sodoma sy i Gomora izany.
malagasy