Genesis 13:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Taorianan’ny nisarahan’i Lota tamin’i Abrama dia niteny taminy NY TOMPO hoe: Atopazy avy eto amin’ity toerana misy anao ity ny masonao ka mitazàna mianavaratra sy mianatsimo, ary miantsinanana sy miankandrefana,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Iaveh tamin’i Abrama taorian’ny nisarahan’i Lôta taminy: «Atopazo ny masonao ary eto amin’ity fitoerana misy anao ity dia mijere mianavaratra sy mianatsimo, ary miankandrefana sy miantsinanana;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nitenenan’ny TOMPO i Abrama, rehefa avy nisaraka tamin’i Lôta izy, ka nataony hoe: –Mitazàna, avy eo amin’izay misy anao, ka mijere mianavaratra sy mianatsimo, ary miantsinanana sy miankandrefana;
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah niteny tamin'i Abrama taorian'ny nisarahan'i Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka hatramin'ity tany itoeranao ity dia mitazana mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Taorianan’ny nisarahan’i Lota tamin’i Abrama dia niteny taminy NY TOMPO hoe: Atopazy avy eto amin’ity toerana misy anao ity ny masonao ka mitazàna mianavaratra sy mianatsimo, ary miantsinanana sy miankandrefana,
malagasy