Genesis 13:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary namindrafindra ny tobiny i Abrama dia nandeha ka nonina teo amin’ireo hazo terebintan’i Mamre izay any Hebrona. Teo izy no nanorina alitara ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nifindra toby i Abrama ka nandeha nonina teo amin’ny terebintan’i Mambre, izay any Hebrôna, ary teo izy nanangana ôtely ho an’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nangoron-day i Abrama ka nandeha nipetraka tao amin’ny hazo ôakan’i Mamre, akaikin’i Hebrôna, ary nanorina alitara teo ho an’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary Abrama nifindrafindra toby. dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan'i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an'i Jehovah izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary namindrafindra ny tobiny i Abrama dia nandeha ka nonina teo amin’ireo hazo terebinta* n’i Mamre izay any Hebrona. Teo izy no nanorina alitara ho an’NY TOMPO.
malagasy
Ary Abrama nifindrafindra toby. dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan'i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an'i Jehovah izy.