Genesis 13:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tsy omby azy roa lahy hiarahany monina ny tany satria be loatra ny fananany avy ka tsy afaka niara-monina intsony izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka tsy ampy hiarahan’izy roa lahy monina intsony ny faritany, fa efa be dia be ny fananany, ka tsy nahazo niara-nitoetra intsony izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho ny hamaroan’ny olona sy ny biby fiompy, dia tsy ampy hitoeran’izy roa lahy miaraka ny tany satria mbola nonina tao koa ny Kanahanita sy ny Perizita. Koa nisy fifandirana teo amin’ny mpiandry biby fiompin’i Abrama sy ny an’i Lôta.
Malagasy Bible 1865
Ary tsy omby azy roa lahy ny tany hiraisany monina; fa efa be ny fananany, ka tsy nahazo niray monina izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tsy omby azy roa lahy hiarahany monina ny tany satria be loatra ny fananany avy ka tsy afaka niara-monina intsony izy ireo.
malagasy
Ary tsy omby azy roa lahy ny tany hiraisany monina; fa efa be ny fananany, ka tsy nahazo niray monina izy.