Genesis 14:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny lohasahan’i Sidima dia feno lavaka godorao; koa rehefa nandositra ny mpanjakan’i Sodoma sy ny mpanjakan’i Gomora dia latsaka tao, ary ny sisa dia nandositra tany an-tendrombohitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Be lavaka ditin-tany tao an-dohasahan’i Sidima, ary nandositra ny mpanjakan’i Sôdôma sy ny mpanjakan’i Gômôra ka latsaka tamin’ireny, ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy lava-drano betsaka nandrevo tao amin’ny lohasahan’i Sidima, ka rahefa nandositra ny mpanjakan’i Sôdôma sy i Gômôra, dia nianjera tao ary ireo sisa kosa nandositra tany an-tendrombohitra.
Malagasy Bible 1865
Ary ny lohasahan'i Sidima, dia be lavak'asfalta, ary nandositra ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora ka latsaka tao; ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny lohasahan’i Sidima dia feno lavaka godorao; koa rehefa nandositra ny mpanjakan’i Sodoma sy ny mpanjakan’i Gomora dia latsaka tao, ary ny sisa dia nandositra tany an-tendrombohitra.
malagasy
Ary ny lohasahan'i Sidima, dia be lavak'asfalta, ary nandositra ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora ka latsaka tao; ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra.