Genesis 14:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nobaboin’ireo niaraka tamin’ny fananany koa i Lota zana-drahalahin’i Abrama, dia lasa izy ireo nandeha. I Lota moa dia nonina tao Sodoma.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Lôta zana-drahalahin’i Abrama dia nobaboin’izy ireo hatramin’ny fananany rehetra koa, vao nandeha izy. Fa nonina tao Sôdôma i Lôta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nofaohiny niaraka tamin’ireo koa i Lôta zana-drahalahin’i Abrama izay nonina tao Sôdôma mbamin’ny fananany dia lasa izy ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary namabo ny zana-drahalahin'i Abrama koa izy, dia Lota, mbamin'ny fananany, dia lasa nandeha; fa nonina tao Sodoma koa Lota.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nobaboin’ireo niaraka tamin’ny fananany koa i Lota zana-drahalahin’i Abrama, dia lasa izy ireo nandeha. I Lota moa dia nonina tao Sodoma.
malagasy
Ary namabo ny zana-drahalahin'i Abrama koa izy, dia Lota, mbamin'ny fananany, dia lasa nandeha; fa nonina tao Sodoma koa Lota.