Genesis 14:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy iray anefa afa-nandositra ka tonga nanambara izany tamin’i Abrama hebreo, izay nonina teo amin’ireo hazo terebintan’i Mamre amorita, rahalahin’i Eskola sy i Anera, satria ireo dia olona vita fanekena tamin’i Abrama.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia tonga ny anankiray tamin’ireo mpandositra nilaza izany tamin’i Abrama, Hebrio, izay nonina tao amin’ireo terebintan’i Mambre, dia ilay Amôreana rahalahin’i Eskôla sy Anera, fa olona vita fanekem-pihavanana tamin’i Abrama ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nisy lehilahy iray afa-nandositra, dia tonga nanambara ny vaovao tamin’i Abrama ilay Hebreo nonina an-day tao amin’ny hazo ôakan’i Mamre, izay Amôrita rahalahin’i Eskôla sy i Hanera; fa izy telo lahy dia efa vita fihavanana tamin’i Abrama.
Malagasy Bible 1865
Ary tonga ny anankiray izay efa nandositra ka nanambara tamin'i Abrama Hebreo izay nonina teo an-kazo terebintan'i Mamre Amorita, rahalahin'i Eskola sy Anera; fa ireo dia olona efa vita fanekena tamin'i Abrama.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy iray anefa afa-nandositra ka tonga nanambara izany tamin’i Abrama hebreo, izay nonina teo amin’ireo hazo terebinta* n’i Mamre amorita, rahalahin’i Eskola sy i Anera, satria ireo dia olona vita fanekena tamin’i Abrama.
malagasy
Ary tonga ny anankiray izay efa nandositra ka nanambara tamin'i Abrama Hebreo izay nonina teo an-kazo terebintan'i Mamre Amorita, rahalahin'i Eskola sy Anera; fa ireo dia olona efa vita fanekena tamin'i Abrama.