Genesis 14:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niainga ny mpanjakan’i Sodoma hitsena an’i Abrama teo an-dohasaha Save, na ny Lohasahan’ny mpanjaka, rehefa niverina avy nandresy an’i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka niaraka taminy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony efa nandresy an’i Kodôrlahômôra sy ireo mpanjaka nomba azy i Abrama, ka nody, dia nivoaka ny mpanjakan’i Sôdôma hitsena azy tao an-dohasahan’i Save, dia ny lohasahan’ny mpanjaka izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa niverina avy nandresy an’i Kedôrlahômera sy ireo mpanjaka nomba azy i Abrama, dia niainga ny mpanjakan’i Sôdôma mba hitsena azy tao an-dohasahan’i Save, izany hoe tao an-dohasahan’ny mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
Dia nivoaka ny mpanjakan'1 Sodoma hitsena an'i Abrama teo an-dohasaha Save (Lohasahan'ny mpanjaka izany), rehefa niverina izy avy nandresy an'i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niainga ny mpanjakan’i Sodoma hitsena an’i Abrama teo an-dohasaha Save, na ny Lohasahan’ny mpanjaka, rehefa niverina avy nandresy an’i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka niaraka taminy izy.
malagasy
Dia nivoaka ny mpanjakan'1 Sodoma hitsena an'i Abrama teo an-dohasaha Save (Lohasahan'ny mpanjaka izany), rehefa niverina izy avy nandresy an'i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy.