Genesis 14:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza amin’izay rehetra mety ho anao, fandrao dia hataonao hoe: Izaho no nampanankarena an’i Abrama!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa tsy haka amin’izay rehetra mety ho anao, hatramin’ny singan-taretra ka hatramin’ny hoditra fehin-kapa, mba tsy hilazanao hoe: ‹Izaho no nampanan-karena an’i Abrama.› »
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
hianianako fa tsy mba handray avy amin’izay rehetra anao aho, na dia singan-kofehy na fehin-kapa iray aza. Sao manko lazainao hoe: «Izaho no nampanankarena an’i Abrama.»
Malagasy Bible 1865
fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza amin'izay rehetra mety ho anao andrao hataonao hoe: Izaho no nampanan-karena an'i Abrama),
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza amin’izay rehetra mety ho anao, fandrao dia hataonao hoe: Izaho no nampanankarena an’i Abrama!
malagasy
fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza amin'izay rehetra mety ho anao andrao hataonao hoe: Izaho no nampanan-karena an'i Abrama),afa-tsy izay efa nohanin'ny zatovo sy ny anjaran'ny olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy Eskola ary Mamre; aoka horaisin'ireo ny anjarany.