Genesis 14:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, tsy handray aho afa-tsy izay nohanin’ireo zatovo sy ny anjaran’ny olona izay niaraka tamiko, dia i Anera sy i Eskola ary i Mamre; koa aoka horaisin’ireo ny anjarany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy hitana na inona na inona ho ahy aho, afa-tsy izay nohanin’ny zatovo, sy ny anjaran’ny olona momba ahy dia i Anera sy i Eskôla ary i Mamre: ireo dia haka ny anjarany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izay nohanin’ireo zatovoko ihany no hotazoniko. Ary ny anjaran’ireo lehilahy niaraka tamiko, izany hoe ny an’i Hanera sy i Eskôla ary i Mamre, dia izy ireo ihany no handray izany.
Malagasy Bible 1865
afa-tsy izay efa nohanin'ny zatovo sy ny anjaran'ny olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy Eskola ary Mamre; aoka horaisin'ireo ny anjarany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, tsy handray aho afa-tsy izay nohanin’ireo zatovo sy ny anjaran’ny olona izay niaraka tamiko, dia i Anera sy i Eskola ary i Mamre; koa aoka horaisin’ireo ny anjarany.
malagasy
afa-tsy izay efa nohanin'ny zatovo sy ny anjaran'ny olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy Eskola ary Mamre; aoka horaisin'ireo ny anjarany.