Genesis 14:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niverina indray izy ireo ka nankany Eny-Mispata, dia Kadesy izany, ary namely ny tany rehetra izay an’ny Amalekita sady namely ny Amorita, izay nonina tany Hazazona-Tamara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha izany dia lasa nody izy ireo, ka tonga teo am-pantsakan’i Fitsarana, dia i Kadesa izany, ka namely ny tanin’ny Amalesita rehetra mbamin’ny Amôreana izay nonina tany Asasôn-Tamara.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia niverina ho any Haîna-Mispata na hoe Kadesy izy ireo, ka namely izay rehetra teny an-tsahan’ny Hamalekita mbamin’ireo Amôrita izay nonina tao Hatsetsôna-Tamara.
Malagasy Bible 1865
Dia niverina indray izy ireo ka nankany Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany rehetra an'ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niverina indray izy ireo ka nankany Eny-Mispata, dia Kadesy izany, ary namely ny tany rehetra izay an’ny Amalekita sady namely ny Amorita, izay nonina tany Hazazona-Tamara.
malagasy
Dia niverina indray izy ireo ka nankany Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany rehetra an'ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara.