Genesis 14:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niainga ny mpanjakan’i Sodoma, ny mpanjakan’i Gomora, ny mpanjakan’i Adma, ny mpanjakan’i Zeboima ary ny mpanjakan’i Bela, dia i Zoara izany, ka nilahatra hiady amin’ireo izay tao an-dohasahan’i Sidima,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay no nivoahan’ny, mpanjakan’i Sôdôma, ny mpanjakan’i Gômôra, ny mpanjakan’i Adamà, ny mpanjakan’i Sebôima ary ny mpanjakan’i Balà, dia i Segôra izany, nilahatra tao an-dohasahan’i Sidima hiady tamin’ireo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niroso ny mpanjakan’i Sôdôma sy ny mpanjakan’i Gômôra sy ny mpanjakan’i Admà sy ny mpanjakan’i Tsebôima ary ny mpanjakan’i Bela na hoe Tsôhara, ka nandahatra ny tafiny hiady tamin’ireo tao an-dohasahan’i Sidima,
Malagasy Bible 1865
Dia nivoaka ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora sy ny mpanjakan'i Adma sy ny mpanjakan'i Zeboima ary ny mpanjakan'i Bela (dia Zoara izany) ka nilahatra hiady amin'ireo teo an-dohasahan'i Sidima,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niainga ny mpanjakan’i Sodoma, ny mpanjakan’i Gomora, ny mpanjakan’i Adma, ny mpanjakan’i Zeboima ary ny mpanjakan’i Bela, dia i Zoara izany, ka nilahatra hiady amin’ireo izay tao an-dohasahan’i Sidima,
malagasy