Genesis 15:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin’ny tany izay tsy azy ny taranakao, ary hanompo ny olona any ka hampahoriny efajato taona izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Iaveh tamin’i Abrama: «Aoka ho fantatrao tsara fa ho vahiny any amin’ny tany tsy azy ny taranakao, hanompo olona izy any, ary hampahorina mandritra ny efajato taona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Abrama: –Aoka ho fantatrao tsara fa hivahiny any amin’ny tany izay tsy azy ireo taranakao, ka ho mpanompo any ary hampijalîna mandritra ny efajato taona.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah tamin'i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin'ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin’ny tany izay tsy azy ny taranakao, ary hanompo ny olona any ka hampahoriny efajato taona izy.
malagasy
Ary hoy Jehovah tamin'i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin'ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy.