Genesis 15:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa maty ny masoandro ka maizina be ny andro dia indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka niaraka tamin’ny fanilo mirehitra, nandeha namakivaky teo anelanelan’ireo zavatra voasasaka ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony maty ny masoandro, ka efa maizina ny andro, dia indro nisy memy mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra namakivaky iretsy biby voasasaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony efa nilentika ny masoandro, dia nisy haizim-be mikitroka; ary indro nisy fatana midona-tsetroka sy fanilo mirehitra namaky teo anivon’ireo biby voasasaka.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa maty ny masoandro, ka maizina dia maizina ny andro, dia, indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra, izay nandeha namaky teo anelanelan'ireo zavatra voasasaka ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa maty ny masoandro ka maizina be ny andro dia indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka niaraka tamin’ny fanilo mirehitra, nandeha namakivaky teo anelanelan’ireo zavatra voasasaka ireo.
malagasy
Ary rehefa maty ny masoandro, ka maizina dia maizina ny andro, dia, indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra, izay nandeha namaky teo anelanelan'ireo zavatra voasasaka ireo.