Genesis 15:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary indro, tonga taminy ny tenin’NY TOMPO hoe: Tsy handova anao izy, fa izay haterakao ihany no handova anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay dia tonga taminy ny tenin’i Iaveh nanao hoe: «Tsy izy io no mpandova anao, fa ilay haloaky ny kibonao no ho mpandova anao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy ny TOMPO taminy: –Tsy handova anao izy, fa ilay haterakao ihany no handova anao.
Malagasy Bible 1865
Ary, indro, ny tenin'i Jehovah tonga taminy hoe: Tsy handova anao izany; fa izay haterakao, dia izy no handova anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary indro, tonga taminy ny tenin’NY TOMPO hoe: Tsy handova anao izy, fa izay haterakao ihany no handova anao.
malagasy
Ary, indro, ny tenin'i Jehovah tonga taminy hoe: Tsy handova anao izany; fa izay haterakao, dia izy no handova anao.