Genesis 15:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy Izy taminy: Itondray ombivavy kely izay telo taona Aho, osivavy izay telo taona, ondrilahy izay telo taona ary domohina sy zana-boromailala.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Iaveh taminy: «Mandehana maka omby vavy kely efa telo taona iray, osy vavy efa telo taona iray, ondrilahy efa telo taona iray, domohina iray, ary vanto-boromahailala iray.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novaliany hoe: –Itondray vantotr’ombivavy iray sy osivavy iray sy ondrilahy iray samy telo taona Aho ary koa domohina sy voromahailala iray avy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Izy taminy: Itondray ombivavy kely efa telo taona Aho sy osivavy efa telo taona sy ondrilahy efa telo taona ary domohina sy zana-boromailala.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy Izy taminy: Itondray ombivavy kely izay telo taona Aho, osivavy izay telo taona, ondrilahy izay telo taona ary domohina sy zana-boromailala.
malagasy
Ary hoy Izy taminy: Itondray ombivavy kely efa telo taona Aho sy osivavy efa telo taona sy ondrilahy efa telo taona ary domohina sy zana-boromailala.