Genesis 16:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Saray vadin’i Abrama dia tsy mba niteraka. Nanana mpanompovavy ejiptiana izy. Hagara no anarany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy niteraka tamin’i Abrama i Saray vadiny; ary nanana mpanompovavy Ejiptianina anankiray atao hoe Agara izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Saray, vadin’i Abrama, dia tsy niteraka fa momba; nefa nanana mpanompovavy ejiptianina atao hoe Hagara izy
Malagasy Bible 1865
Ary Saray, vadin'i Abrama, tsy mba niteraka; ary izy nanana mpanompovavy Egyptiana, Hagara no anarany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Saray vadin’i Abrama dia tsy mba niteraka. Nanana mpanompovavy ejiptiana izy. Hagara no anarany.
malagasy
[Ny nahaterahan'Isimaela] Ary Saray, vadin'i Abrama, tsy mba niteraka; ary izy nanana mpanompovavy Egyptiana, Hagara no anarany.