Genesis 16:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ho lehilahy toy ny borikidia izy; hamely ny olona rehetra ny tanany ary hamely azy kosa ny tanan’ny olona rehetra; ary honina mifanatrika amin’ny rahalahiny rehetra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho ampondra haolo io lehilahy io: ny tanany haingainy hamely ny olona rehetra, ary ny tanan’ny olona rehetra kosa hiainga hamely azy; honina tandrifin’ny rahalahiny rehetra izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho toy ny boriky tsy folaka ny zanakao, ary hiady amin’ny olona rehetra sy hiadian’ny olona rehetra izy, nefa dia hitoetra misintaka amin’ny rahalahiny rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary izy ho lehilahy toy ny boriki-dia; ny tànany hamely ny olona rehetra, ary ny tanan'ny olona rehetra kosa hamely azy; ary honina eo tandrifin'ny rahalahiny rehetra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ho lehilahy toy ny borikidia izy; hamely ny olona rehetra ny tanany ary hamely azy kosa ny tanan’ny olona rehetra; ary honina mifanatrika amin’ny rahalahiny rehetra izy.
malagasy
Ary izy ho lehilahy toy ny boriki-dia; ny tànany hamely ny olona rehetra, ary ny tanan'ny olona rehetra kosa hamely azy; ary honina eo tandrifin'ny rahalahiny rehetra izy.