Genesis 16:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Saray tamin’i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy NY TOMPO; koa miangavy anao aho, vadio ny mpanompovaviko; angamba hahazo zaza aminy aho. Dia neken’i Abrama ny tenin’i Saray.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Saray tamin’i Abrama: «Indro efa nataon’i Iaveh momba aho; ka mangataka anao aho mba handeha amin’ny mpanompovaviko, fa angamba hitera- dahy ho ahy izy.» Dia neken’i Abrama ny tenin’i Saray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka niteny tamin’i Abrama hoe: –Indro efa tsy nanome zanaka ahy ny TOMPO. Koa mba mandehana re any amin’ny mpanompovaviko; angamba hanan-janaka avy aminy aho. Dia neken’i Abrama ny soso-kevitr’i Saray.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Saray tamin'i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah; masìna ianao, mivadia amin'ny mpanompovaviko; angamba hahazo zaza aminy aho. Dia neken'i Abrama ny tenin'i Saray.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Saray tamin’i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy NY TOMPO; koa miangavy anao aho, vadio ny mpanompovaviko; angamba hahazo zaza aminy aho. Dia neken’i Abrama ny tenin’i Saray.
malagasy
Ary hoy Saray tamin'i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah; masìna ianao, mivadia amin'ny mpanompovaviko; angamba hahazo zaza aminy aho. Dia neken'i Abrama ny tenin'i Saray.