Genesis 16:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Saray tamin’i Abrama: Hanody anao anie ny manjo ahy! Izaho no nanome ny mpanompovaviko ho andefimandrinao, kanefa nony hitany fa manana anaka izy dia nataony toy ny tsinontsinona aho. NY TOMPO anie hitsara ahy sy ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Saray tamin’i Abrama: «Mihatra aminao izao faniratsirana ahy izao. Izaho no nanome ny mpanompovaviko ho andefimandrinao; kanjo nony hitany fa nanana anaka izy dia nataony tsinontsinona aho. Ka i Iaveh anie hitsara ahy sy ianao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Saray tamin’i Abrama: –Manodiava anao ny fahoriako! Nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko; ka nony nahita ny tenany bevohòka izy, dia nanao tsinontsinona ahy. Koa aoka ny TOMPO no hitsara ahy sy ianao!
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Saray tamin'i Abrama: Hanody anao anie ny fahoriako; fa efa nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko, ary nony hitany fa efa manan'anaka izy, dia na­taony toy ny tsinontsinona aho; Jehovah anie hitsara ahy sy ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Saray tamin’i Abrama: Hanody anao anie ny manjo ahy! Izaho no nanome ny mpanompovaviko ho andefimandrinao, kanefa nony hitany fa manana anaka izy dia nataony toy ny tsinontsinona aho. NY TOMPO anie hitsara ahy sy ianao.
malagasy