Genesis 16:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Abrama tamin’i Saray: Indro, eo am-pelatananao ny mpanompovavinao; ataovy izay tianao hatao aminy. Dia nampahorin’i Saray i Hagara ka nandositra niala teo aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy ny navalin’i Abrama tamin’i Saray: «Eo ambany fahefanao ny mpanompovavinao, ka ataovy araka izay ataonao ho mety.» Dia nampahorin’i Saray i Agara ka nandositra tsy ho eo anatrehany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa namaly i Abrama nanao hoe: –Indro ny mpanompovavinao, eo ambany fahefànao izy ka ataovy izay tianao hatao aminy. Dia nampahorîn’i Saray i Hagara ka nitsoaka nandositra.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Abrama tamin'i Saray: Indro, eo an-tananao ihany ny mpanompovavinao; ataovy aminy izay sitraponao. Ary raha nampahorin'i Saray Hagara, dia nandositra ny tavany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Abrama tamin’i Saray: Indro, eo am-pelatananao ny mpanompovavinao; ataovy izay tianao hatao aminy. Dia nampahorin’i Saray i Hagara ka nandositra niala teo aminy.
malagasy
Ary hoy Abrama tamin'i Saray: Indro, eo an-tananao ihany ny mpanompovavinao; ataovy aminy izay sitraponao. Ary raha nampahorin'i Saray Hagara, dia nandositra ny tavany izy.