Genesis 17:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa sivy amby sivifolo taona i Abrama dia nisehoan’NY TOMPO izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha. Mandehana eo anatrehako ary aoka ho tsy misy tsiny ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony efa sivy amby sivy folo taona i Abrama dia niseho taminy i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Izaho no Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra; mizora eo anatrehako ary aza manan-tsiny ianao;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa feno 99 taona i Abrama, dia nisehoan’ny TOMPO ka nitenenany hoe: –Izaho no Andriamanitra Tsitoha; aoka handeha eo anatrehako ianao sady tsy hanan-tsiny;
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan'i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa sivy amby sivifolo taona i Abrama dia nisehoan’NY TOMPO izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha. Mandehana eo anatrehako ary aoka ho tsy misy tsiny ianao.
malagasy
[Ny nanovan'Andriamanitra ny anaran'i Abrama mivady, sy ny nanendreny ny fora ho famantarana ny fanekena nataony taminy, ary ny amin'ny hahaterahan'Isaka] Ary rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan'i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao.