Genesis 17:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hitahy azy Aho ka hampanana azy zanakalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan’ny firenena maro avy aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hasiako soa izy, ary izy koa hampiterahako zazalahy aminao. Hasiako soa izy ka ho tonga firenena maro, ary hisy mpanjakam-pirenena avy aminy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hotahîko izy ary homeko zanakalahy avy aminy koa ianao. Hotahîko izy ka ho tonga razamben’ny firenena maro, ary hisy mpanjakam-pirenena avy amin’ny taranany.
Malagasy Bible 1865
Ary hitahy azy Aho ka hampanana azy zazalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho, ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan'ny firenena maro avy aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hitahy azy Aho ka hampanana azy zanakalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan’ny firenena maro avy aminy.
malagasy
Ary hitahy azy Aho ka hampanana azy zazalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho, ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan'ny firenena maro avy aminy.