Genesis 17:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy Andriamanitra: Tsia! Fa i Saraha vadinao no hiteraka zazalahy aminao; ary ny anarany dia hataonao hoe Isaka. Haoriko aminy ny fanekeko ho fanekena mandrakizay ho an’ny taranany mandimby azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy Andriamanitra: «Eny, hitera-dahy ho anao i Sarà vadinao; hataonao hoe Isaaka no anarany; ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho, dia fanekena mandrakizay ho an’ny taranany hanaraka azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa namaly Andriamanitra hoe: –Tsia, fa i Sarà vadinao dia hiteraka zazalahy ho anao ka ny anarany hataonao hoe Itsehàka. Hotanako ny fanekempihavanako aminy sy amin’ny taranany mandimby azy ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Andriamanitra: Tsia, fa Saraha vadinao hiteraka zazalahy aminao; ary ny anarany dia hataonao hoe Isaka; ary ny fanekeko haoriko aminy ho fanekena mandrakizay ho an'ny taranany mandimby azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy Andriamanitra: Tsia! Fa i Saraha vadinao no hiteraka zazalahy aminao; ary ny anarany dia hataonao hoe Isaka. Haoriko aminy ny fanekeko ho fanekena mandrakizay ho an’ny taranany mandimby azy.
malagasy
Ary hoy Andriamanitra: Tsia, fa Saraha vadinao hiteraka zazalahy aminao; ary ny anarany dia hataonao hoe Isaka; ary ny fanekeko haoriko aminy ho fanekena mandrakizay ho an'ny taranany mandimby azy.