Genesis 17:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa nalain’i Abrahama Ismaela zanany sy ny mpanompony rehetra izay teraka tao an-tranony, niaraka tamin’ireo rehetra izay novidiny vola, dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony, koa noforany tamin’iny andro iny ihany, araka izay nolazain’Andriamanitra taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nalain’i Abrahama i Ismaely zanany, mbamin’ny ompikeliny rehetra sy izay rehetra novidiny vola, dia ny lahy rehetra tamin’ny olona ao an-tranony, ka noforàny androtr’izay ihany, araka ny nandidian’Andriamanitra azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nalain’i Abrahama i Jismahela zanany lahy sy ireo mpanompony rehetra na izay teraka tao aminy na izay novidîny vola, dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; ka noforany avokoa ireo iny andro iny ihany araka izay nandidian’Andriamanitra azy.
Malagasy Bible 1865
Koa dia nalain'i Abrahama Isimaela zanany sy ny ompikeliny rehetra mbamin'izay rehetra novidiny vola dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; dia noforany androtrizay indrindra ireo araka izay nolazain'Andriamanitra taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa nalain’i Abrahama Ismaela zanany sy ny mpanompony rehetra izay teraka tao an-tranony, niaraka tamin’ireo rehetra izay novidiny vola, dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony, koa noforany tamin’iny andro iny ihany, araka izay nolazain’Andriamanitra taminy.
malagasy