Genesis 18:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO niseho tamin’i Abrahama teo amin’ireo hazo terebinta n’i Mamre, raha izy nipetraka teo am-baravaran’ny tranolainy, tamin’ny fotoana nampafana ny andro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Iaveh niseho taminy, teo amin’ireo terebintan’i Mambre, raha ilay nipetraka teo am-baravaran’ny lainy iny izy, tamin’ilay nigaingaina iny ny andro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niseho tamin’i Abrahama tao amin’ny hazo ôakan’i Mamre ny TOMPO, raha nipetraka teo am-baravaran’ny lainy izy fa nafana ny andro.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah niseho tamin'i Abrahama teo an-kazo terebintan'i Mamre; ary nipetraka teo am-baravaran'ny lainy izy, raha nafana ny andro;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO niseho tamin’i Abrahama teo amin’ireo hazo terebinta* n’i Mamre, raha izy nipetraka teo am-baravaran’ny tranolainy, tamin’ny fotoana nampafana ny andro.
malagasy
[Ny nisehoan'ny anjely telo tamin'i Abrahama] Ary Jehovah niseho tamin'i Abrahama teo an-kazo terebintan'i Mamre; ary nipetraka teo am-baravaran'ny lainy izy, raha nafana ny andro;