Genesis 18:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy Izy: Hiverina atỳ aminao tokoa Aho amin’ny herintaona toy izao; ary indro, hiteraka zazalahy i Saraha vadinao. Ary i Saraha dia nihaino teo am-baravaran’ny tranolay izay tao ambadik’Ilay niteny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy izy: «Hiverina aty aminao indray Aho, raha avin-taona toy izao, ary hanana zazalahy i Sarà vadinao.» Ren’i Sarà teo am-baravaran’ny lay, teo ivohony, izany teny izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nilaza ny iray tamin’ny vahiny hoe: –Hiverina eto aminao aho amin’ny herintaona toy izao, ka hitera-dahy i Sarà vadinao. I Sarà anefa tamin’izay dia nihaino teo am-baravaran’ny tranolay, tao an-damosin’i Abrahama.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Izy: Hiverina aminao tokoa Aho raha avy ny taona toy izao; ary, indro hanana zazalahy Saraha vadinao. Ary Saraha nandre izany teo am-baravaran'ny lay, izay teo ivohon'Ilay niteny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary hoy Izy: Hiverina aminao tokoa Aho raha avy ny taona toy izao; ary, indro hanana zazalahy Saraha vadinao. Ary Saraha nandre izany teo am-baravaran'ny lay, izay teo ivohon'Ilay niteny.