Genesis 18:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa moa misy zava-mahagaga izay tsy hain’NY TOMPO va? Amin’ny fotoana voatendry, amin’ny herintaona toy izao, dia hiverina atỳ aminao Aho, ary hiteraka zazalahy i Saraha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Moa misy zava-mahatalanjona tsy efan’i Iaveh va na inona na inona? Raha avin-taona toy izao dia hiverina aty aminao indray Aho; ary i Sarà dia hahazo zazalahy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Moa misy zavatra tsy hain’ny TOMPO tanterahina ve? Koa rehefa miverina eto aminao aho amin’ny herintaona toy izao, dia hanan-janaka lahy i Sarà.
Malagasy Bible 1865
Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain'i Jehovah va? Amin'ny fotoan'andro raha avy ny taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa moa misy zava-mahagaga izay tsy hain’NY TOMPO va? Amin’ny fotoana voatendry, amin’ny herintaona toy izao, dia hiverina atỳ aminao Aho, ary hiteraka zazalahy i Saraha.
malagasy
Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain'i Jehovah va? Amin'ny fotoan'andro raha avy ny taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy.