Genesis 18:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandrina ny lalan’NY TOMPO ka hanao izay marina sy mahitsy izy ireo, dia hotanterahin’NY TOMPO amin’i Abrahama izay nolazainy momba azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izy no voafidiko handidy ny zanany sy ny fianakaviany any aoriana mba hanaraka ny lalàn’i Iaveh, amin’ny fitandremana ny rariny sy ny hitsiny: ka hanatanterahan’i Iaveh amin’i Abrahama ny soa nampanantenainy azy».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nofidîko izy mba handidiany ireo zanany sy ny taranany hitandrina ny didiko ka hanao ny rariny sy ny hitsiny mba hotanterahiko amin’i Abrahama izay rehetra efa nampanantenaiko momba azy.»
Malagasy Bible 1865
Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman'ireo ny lalàn'i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran'i Jehovah amin'i Abrahama izay efa nolazainy taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandrina ny lalan’NY TOMPO ka hanao izay marina sy mahitsy izy ireo, dia hotanterahin’NY TOMPO amin’i Abrahama izay nolazainy momba azy.
malagasy